Mitsangàna ianareo 'zay matory

Mitsangàna ianareo 'zay matory, )
Fa io i Kristy hanazava                ) (indroa)
Ny androntsika.                          ) (Ef. 5, 14)

(Sal. 112)
 
1 Derao, ry mpanompon' ny Tompo,
 Derao ny anaran'ny Tompo;
2 Tsarovy ny anaran' ny Tompo,
 Na izao na ho mandrakizay.
3 Tongava marain-tsy hariva
 Hidera ny anaran' ny Tompo.
 Aleloia, aleloia!

4 Ambonin' ireo firenena:
 Ny lazany avo dia avo!
5 Moa misy mitovy amy Tompo?
 Ny Tompo mitoetra any ambony,
6 Ka miondrika izy mijery,
 Na lanitra izany na tany.
 Aleloia, aleloia!

7 Alàny amy fako ny ory,
 Esoriny avy eo ny mahantra:
8 Apetrany anilan'andriana,
 Andriana izy fanta-bahoaka.
9 Ny momba amponeniny an-trano:
 Niteraka maro ka faly.
 Aleloia, aleloia!

10 Handeha isika hisaotra ny Ray:
 Natsangany ho velona isika,
11 Hitovy amin-Janany tiany;
 Nomeny Fanahy manan-kery
12 Hametraka antsika rehetra
 Anilany mandrakizay.
 Aleloia, aleloia!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 173
Fihirana Dera p. 197
Fihirana Hasina p. 247
Fihirana Vaovao p. 217
Vavaka sy Hira p. 342
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185