Mba sambatra 'zay matahotra ny Tompo re

(Sal. 111)

Mba sambatra 'zay matahotra ny Tompo re,
Mba sambatra 'zay matoky, mino azy re,
Mba sambatra 'zay matahotra ny Tompo re,
Mba sambatra 'reo 'zay tia anao, ry Iaveh!

 
1 Mba sambatra izy ireo matahotra an'i Iaveh
 Sy mankasitraka ireny didiny.
 Fa ny taranany hahery an-tany aty,
 Ireo solofony hambininy avokoa.
 
2 Ka dia hiadana ny tokantranony,
 Fahamarinana ho anjara lovany,
 Anaty haizina dia hotsilovina
 Ny olo-marina sy be fitiavana.
 
3 Hisandratra tokoa, tadidy anarana,
 Ny olo-marina ho rakotry ny soa.
 Raha ilazana loza, tsy mba matahotra,
 'Lay Andriamanitra no itokisany.
 
4 Mihidy vazana izay mialona,
 Fa sasa-poana, tsy mahatohitra.
 Ny olo-marina malala-tanana,
 Be voninahitra, arovan' izy Ray.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 67
Fihirana Hasina p. 245
Fihirana Vaovao p. 252
Vavaka sy Hira p. 341
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091