Eny, sambatra tokoa

(Sal. 111)

1 Eny sambatra tokoa, fa ho voky valisoa
 'Zay matahotra anao, Tompo.
 
Aleloia,
Dera ho anao, ry Tompo tsara fo
'Zay nahary ny zava-drehetra.
'Zahay zanakao miara-miventy hoe:
Voninahitra ho anao.
 
2 Ny taranany hahery, izy koa tsy ho very
 Raha tia anao, Tompo.
 
3 Na dia misy mpankahala, izy koa mahalala
 Fa arovanao, Tompo.
 
4 Fiadanana mateza, lova tsara sady ngeza
 No miandry azy, Tompo.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 92
Fihirana Hasina p. 245
Fihirana Vaovao p. 173
Vavaka sy Hira p. 341
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0512