Aza matahotra e, izaho no iandohana sy iafarana

Aza matahotra e, aza matahotra!
Izaho no iandohana sy iafarana;
Maty nefa velona indray,
Velona mandrakizay. (Apok. 1, 17-18)

(Sal. 88)
 
1 Fa fialofanay mateza tsy mikoro ianao, ry Tompo,
 Rova mafy hary fomba sady ampinganay tokoa,
 Efa hatrany am-piandohana tamy taona mifandimby,
 Holovàn'ireo taranaka any am-paravazantany.
 
2 Mbola haizina ny tany, 'rony vohitra tsy àry,
 Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao...
 Efa teo ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,
 'Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.
 
3 Nampodianao ho vovoka ny harin-tananao:
 "Miverena, hoy ianao, ry taranaka voafetra".
 Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
 Tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.
 
4 Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
 Toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
 Mani-pelana maraina, vaky vony sy mijoro,
 Fa milofika malazo, very aina ny hariva.
 
5 Zary foana sady levona raha tezitra ianao,
 E, torovana sy ankona raha vinitra ianao.
 Novelarinao imaso mba ho vaky ny helokay,
 Anoloan'ny tavanao izay nafeninay taloha.
 
6 Maharìtra ny andronay ny hatezeranao tsy laitra;
 'Ndray mihelina toa sento ny fitsahatry ny taona:
 Fitopolo taona monja no anjara fiainanay;
 Valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay.
 
7 Fahoriana sy toloko anefa ny isan'izy ireny,
 Fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay;
 Ary zovy no hahatsinjo fa mirehitra ianao,
 Ka hanaja sy hiaiky fa tsy toha ny herinao?
 
8 Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
 Atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena,
 Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
 Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
 
9 Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao 'zahay,
 Ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro;
 'Reny kapoka fahiny sy ireo ngidim-pahoriana
 Mba hiova ka hanjary tonon'androm-pihobiana.
 
10 Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao,
 Ka hamiratra am'ireo taranakay ny herinao;
 Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
 Hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.
 
11 Ka ny dera sy ny haja ho anao, ry Rainay,
 Fa ny Zanakao tokoa efa monina aminay;
 Ny Fanahinao mahery nanangananao anay
 Tsy mitsaha-manazava sy mitarika ny dia.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 282
Fihirana Hasina p. 229
Fihirana Vaovao p. 526
Vavaka sy Hira p. 319
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094