Malakia, 'ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika

Malakia, 'ndeha isika
Hankalaza ny Ray iombonantsika.

(Sal. 66)
 
1   1 Hiantran'Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
        Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
 
     2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
        Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
 
     3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
 
2   4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
        Fa ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
 
     5 Fa ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
       Sy manjaka am'ireo firenen-drehetra isan-tokony.
 
     6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
 
3    7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
        Andriamanitra manko, Andriamanitsika: mitsimbina.
 
      8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
         Ka ho masina eran'ny vazantany ny anarany.
 
      9 Voninahitra anie ho an'ny Ray nandefa ny Zanany,
         'Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 209
Fihirana Dera p. 189
Fihirana Hasina p. 217
Fihirana Vaovao p. 54
Vavaka sy Hira p. 298
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088