Inona no havaliko?

Inona no havaliko e, havaliko ny Tompoko (indroa)
Noho ny soa be, soa be nataony tamiko?              )
Inona no havaliko e, sanganehana ny fanahiko e! ) (indroa)
Inona no havaliko e, havaliko ny Tompoko? (indroa)
 
Horaisiko ny kalisy, ny kalisim-pamonjena
Hanaovako fiderana ny anaran'ny Tompo.
Hantsoiko ny anaranao, (Tompo ô)
Hotoriko ny anaranao, (Tompo ô)
Hantsoiko ny anaranao,
Hotoriko ny anaranao.
 
Noho ny soa be, soa be nataony tamiko,              )
Inona no havaliko e, sanganehana ny fanahiko e! ) (indroa)
Inona ho havaliko e, havaliko ny Tompoko? (indroa)
 
Ny mitoetra ao an-tranonao no tiako e,
Ry Tompo Andriamanitra ô,
Ny tranonao onenanao e sy ny voninahitrao,
Ny mitoetra ao an-tranonao no tiako e,
Ry Tompo Andriamanitra ô,
Hitory ny anaranao am-piangonana masina e!
 
Raiso mba ho anao, (Tompo ô)
Hiderako ny anaranao, (Tompo ô)
Raiso mba ho anao
Hiderako ny anaranao.
 
Ny heriko manontolo, ry Tompo Andriamanitra ô;
Foiko mba ho anao, ry Tompo Andriamanitra ô,
Hitoriako ny asanao, ry Tompo Andriamanitra ô,
Am-piangonana masina e, ry Tompo Andriamanitra! 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 198
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186