'Zaho mametraka aina

1 'Zaho mametraka aina an-tananao, Reniko,
 Ka ny androko rehetra tahio, ry Maria ô!
     Raha amin'ny farandro
     Hiainako atý:
     Sao maty meloka aho,
     Mivavaha ho ahy.
 
'Zaho mametraka aina an-tananao, Reniko,
Ka ny androko rehetra tahio, ry Maria ô!
Tahio, ry Maria!
 
2 Mba henoy ny foko mitaraina aminao.
 Fa tsy zaka ny rofy atý an-tany atý.
     Maria, Reny malala,
     Ianao no tokiko;
     Ny rofiko tapero,
     Ry Reny tiako.   
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 195
Vavaka sy Hira p. 584
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373