Misaotra anao 'zahay, Andriamanitra ô

Misaotra anao 'zahay, Andriamanitra ô,
(Tompo Rainay)
Misaotra anao 'zahay, mankasitraka,
(Sy midera anao)
Misaotra anao 'zahay, Andriamanitra ô,
(Lehibe ny fitiavanao)
Misaotra anao 'zahay, mankasitraka.
 
1 Eran'ny fonay, eran'ny sainay )
 No isaoranay e ny fitiavanao.   ) (indroa)
 
2 Fa ny Zanakao no natolotrao )
 Mba hinoanay e ny fitiavanao. ) (indroa)
 
3 Fa ny helokay no navelanao    )
 Hampiharihary e ny fitiavanao. ) (indroa)
 
4 Ny Fanahinao no nirahinao     )
 Mba hiainanay e ny fitiavanao. ) (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 95
Fihirana Hasina p. 194
Fihirana Vaovao p. 208
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088