Voninahitra anie ho Anao, ny namoronanao anay

1.  Voninahitra anie ho Anao
Ny namoronanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Vovo-tany foana endrey no mba nanaovanao anay,
Tsinontsinona izahay;
Saingy ny aina avy aminao no naparasakao ho anay
Ka mirehareha izahay;
Voninahitra anie ho Anao
Ny namoronanao anay, ry Tompo Andriamanitra

2.  Voninahitra anie ho Anao
Ny namelomanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Oriory sy mijaly raha miteraka olom-bao
'Zay ny lahatra ho anay
Nefa kosa manan-jo hampita aina sy hitaiza
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra anie ho Anao
Ny namelomanao anay, ry Tompo Andriamanitra.

3.  Voninahitra anie ho Anao
Ny nifidiananao anay, ry Tompo Andriamanitra.
Marobe ny tebiteby mifandafatra aminay
lza no ifaharanay?
Tonga anefa ilay Mpamonjy niaraka ory taminay
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra anie ho Anao
Ny nifidiananao anay, ry Tompo Andriamanitra!

4 . Voninahitra anie ho Anao
Ny nanangananao anay, ry Tompo Andriamanitra
Eny mafy ny asanay 'zay itandrovanay ny aina
Indro reraka izahay.
Mofon'aina kosa anefa no nafahanao anay
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra arie ho Anao
Ny nanangananao anay, ry Tompo Andriamanitra!

5.  Voninahitra anie ho Anao
Ny nanavotanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Saingy an-dalam-panomanana ilay tany vaovao,
Ka mitsemboka izahay!
Zanakao mihitsy anefa no ivondronanay rehetra;
Ka mirehareha izahay!
Voninahitra anie ho Anao
Ny nanavotanao anay, ry Tompo Andriamanitra!

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 103
Fihirana Dera p. 202
Fihirana Hasina p. 745
Fihirana Vaovao p. 293
Vavaka sy Hira p. 477
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089