Derao ny Tompontsika e

Fiv.: Derao ny Tompontsika e
Hobio sy ankalazao.


1 . Manaova hira vaovao
Ho an'ny Tompo Andriamanitra
Fa mahagaga loatra
Ny zavatra nataony
Ny tanan-kavanany
Ny sandriny masina
No nentiny nandresy
An'ireo fahavalony.

2. Ny fahaizany mamonjy 
Dia naharihariny 
Ny fahamarinany 
Dia fanta-pirenena 
Ny fony be fitiavana 
Sy tsy mba mamadika
Dia nampahatsiahiviny
An'i Israely.

3. Ny faravazantany 
Dia samy mahita 
An'ilay famonjena 
Avy amin'Andriamanitra 
Derao ny Tompo 
Ry tany manontolo 
Ataovy maredona 
Ny hobin-kafaliana. 

4. Ataovy maredona
Ny hiram-baliha
Ataovy manako
Ny zava-maneno
Ny feon'anjomara
Ny feon-trómpetra
Dia ento hiderana
Ny Tompo Mpanjaka.

5. Ny ranomasim-be
Sy 'zay rehetra ao amíny
Ny tany tontolo
Sy ny mponina rehetra
Ny ony tsy ankanavalca
Aoka samy hitehaka
Ary ny tendrombohitra
Ho faly amin'ny Tompo.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 428
Vavaka sy Hira p. 471
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089