Anao, ry Tompo, anao ny lanitra

Fiv.: Anao, ry Tompo, anao ny lanitra
Anao, ry Tompo, anao ny tany
Anao, ry Tompo ô, anao ny aina.
Anao, ry Tompo ô,
Ka mendrika hiderana anao.

lzao tontolo izao, ny mponina rehetra
'Reo manana aina sy ireo tsy manana.

1. Ny lanitra mangamanga
Ny volana baliaka
Ny kintana eny ambony.

2. Ny rano mikoriana
Ny rivotra mitsoka
Mamelombelona aina.

3. Ny saha sy ireo havoana
Ireo karazam-biby
Ny vorona mikalo.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 379
Vavaka sy Hira p. 470
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0342