Mba mihainoa ianao izany teny mahasoa

1. Mba mihainoa ianao
Izany teny mahasoa
Lazaiko ' Zaho Tompo. (bis)

Fiv.: Eny, Tompo ô!
Ka matokia tokoa Ianao.
Fa izaho ' zao
Hanara-dia Anao tokoa!

2. Ny didy hotandremanao;
Ny ratsy handosiranao;
Ny tsara no ataovy. (bis)

    3. Ny boky diso tafahoatra
    Manevateva Zanahary,
    Ataovy toy ny poizina. (bis)

4. Ny alahady aza diso
Ny famonjena ny lamesa
Sy ny tsy miasa koa. (bis)

    5. Ireo ray arnan-dreninao
    Hajao sy tiako tsara koa;
    Mahaiza mankasitraka. (bis)

6. Tandremo 'reo solofonao;
Tongavy katôlika tsara
Ny namanao rehetra. (bis)

    7. Mifankatiava tsara koa:
    Jereo i Jesoa Tomponao
    Ao amin'ny isan'olona. (bis)

8. Manaova koa fiantrana:
Mba manomeza ny mahantra;
Ny fiantrana didy. (bis)

    9. Ny lolom-po esory koa
    Tsy mba hitoetra ao aminao,
    Fa mamelà ny namana. (bis)

10. Tandremo ny fonao hadio;
Fadio ny haravoana ratsy;
Mendreha lalandava. (bis)

    11. Ny vola sy ny haren'olona
    Fadio ny maka tsy an-drariny:
    Hajao ny zavatr'olona. (bis)

12. Izay mifosa namana
Sy izay manendrikendríka
Fadio, halaviro. (bis)

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 583
Fihirana Vaovao p. 409
Vavaka sy Hira p. 467
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009