Ny Katolika sy ny sary vongana ara-baiboly

Nampiditra : admin
Daty : 22/08/2015

Isan’ireo maro ananjehana ny Fiangonana Katôlika Romanina ho manompo sampy ny fampiasantsika ny sarin’ireo olomasina na sary io na sarivongana. Ary misy aza amin’ireo kristianina katôlika izay tsy tena nandalina ny finoany misy azy no sahy milaza fa maro no zavatra nafenina anay. Ny mampalahelo amin’izy ireny dia ampahany entina anenjehana no hitany fa tsy izay mahakasika tanteraka an’izay fomba amampanao kristianina akory dia sahy milaza fa marina no lazainy. Koa entina ary izao ho fanazavana ireo zavatra tsy fantatra satria tsy mbola nohalalinina angamba. Mialoha ny hidirantsika amin’ny antsipirihany dia averiko ihany ary tsy mahasasatra ny mamerina hoe halalino ny finoanao ary aza mihinana ambolony satria ny olona tena mino sy mahalala izay arahiny dia tsy mivadidka amin’iny na dia hiala avokoa aza ny rehetra (cf. Jn 6, 66-69).

Ny mikasika ny sarivongana dia voarara io ao amin’ny Eksaody 20, 3-5 “v.3 Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. v.4 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho sampy ianao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. v.5 Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho no Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra fatra-pitandro hasina, ka amin’izay mankahala ahy dia...”.

Aleo ho raisintsika tsirairay fotsiny aloha:
- v.3 Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao : mialoha an’io anefa dia nametraka ny Tompo Andriamanitra fa v.2 Izaho no Tompo Andriamanitrao Izay namoaka anao avy any amin’ny toeram-panandevozana. Ny fitantarana ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany dia manomboka eo amin’ny Eksaody 19 ka tao anatin’izany no nisehoan’io fandraràna ny tsy hanao sary vongana ho andriamanitra io. Ary ny hevitr’io teny io dia hoe iny sarivongana iny no andriamanitra ho an’izay olona manao azy ka tsy hanana andriamani-kafa toy izany ivelan’Andriamanitra satria Izy ihany no hany Tompo Andriamanitra. Ka eto anefa dia mazava fa ireny sary vongana atao ireny dia hiankohofana sy tompoina toy ny fanompoana an’Andriamanitra (izay no atao hoe idolatrie izany hoe manompo sy niankohoka amin’ny idole na sampy).

Ary ao amin’ny Eksaody 32,1. 4.5 dia zavatra toy izany no nataon’ny vahoaka nasolony sarivongana ny Tompo Andriamanitra“... v.1 Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay fa raha ny amin’iny Moizy iny, ilay lehilahy nampakatra anay avy amin’ny tany Ejypta, tsy fantatray na naninona izy na naninona...v.4 Noraisin’i Aarona teo antanan’izy ireo ny volamena nagonina dia nempoiny tanaty lasitra ka namoronany sarivongana miendrika zanak’omby. Ary hoy izy ireo hoe: ‘Io no andriamanitrao, ry Israely, io ilay nampakatra anao avy any amin’ny tany Ejypta. V.5 Nony nahita an’izany i Aarona, dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: “Hisy fety fankalazana ny Tompo [YHWH] rahampitso”. Izany hoe ilay sarivongana mihitsy no andriamanitra naka ny toeran’Andriamanitra.

Zavatra tsara ho fantatra aloha: ny sarivongana miendrika zanak’omby dia iray amin’ireo symboles divins na hoe tandindon’andriamanitra ho an’ny Orient Ancien i.e iny faritra misy an’ny Palestina iny (cf. 1 Mp 12, 28).

Ka eto dia ilay sarivongana mihitsy no andriamanitra (cf. Eksaody 32, 1, 4-5. 23, izy no nasolo ny Tompo [YHWH], izy mihitsy aza no lazaina fa andriamanitra (io no andriamanitrareo ry Israely, io ilay nampiakatra anao avy any amin’ny tany Ejypta... Hisy fety fankalazana ny Tompo [YHWH] rahampitso). Izany hoe ilay sarivongana mihitsy no lasa andriamanitra, maka ny toeran’Andriamanitra. Kanefa ny Tompo efa niteny ao amin’ny Eksaody 20, 2 hoe v.2 Izaho no Tompo Andriamanitrao Izay namoaka anao avy any amin’ny toeram-panandevozana. Ka eto dia lazaina fa ilay sarivongana indray no ilay andriamanitra namoaka azy ireo. 
Noho izany ny fandraràna hanao sarivongana dia satria ireny no tompoina ka lasa maka ny toeran’Andriamanitra Tompo.

Ka hatreto aloha dia apetraka amintsika Katôlika tena miaina ny maha-Katôlika azy ny fanontaniana. Amin’ny fivavahana iainantsika “amin’inona amin’ireny rehetra ireny no hoe nanao sarivongana isika haka ny toeran’Andriamanitra ka iny no lasa andriamanitra ho antsika?”. Raha tena Katôlika marina fa tsy ireo anarany fotsiny ka tsy mahalala akory ny zavatra ataony aza ka sahy milaza fa nofitahina satria misy zavatra nafenina dia tsarao amin’ny saina tsy miangatra raha marina na diso ny finoana arahinao. 
Ary ireto aroso eto ireto ireo andininy maro milaza io fanaovana sarivonga ho sampy io ao anaty Soratra Masina : Lv 26, 1; 2 Tan 33, 15; Iz 48, 5; ankoatr’ireo efa hitantsika teo ambony (cf. Eksaody 32, 4-5; 20, 2-6). Ankoatr’ireo dia ireto misy andininy hafa milaza ireo sarivongana natao sampy tao amin’ny tany nampanantenaina izay tena andriamanitra ho an’ny olona tao (cf. Fan 33, 52; Fah 15, 13; Iz 10, 11; 30, 22; 41, 29; 42, 17; Mi 1, 7).

Iza amin’ireo ary no manana ny endriky ny sarin’olo-masina izay hajaintsika. Moa ve isika manao azy ireny ho andriamanitra ka maka ny toeran’Andriamanitra Tompo?
Ary raha ny fampiasana sary vongana na ilay atao hoe statue isika dia tsy vao izao anie no nisy an’io e. Jereo Fan 21, 9 : “Ary nanao bibilava varahina i Moizy ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anakiray; ary raha misy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona”. Hitantsika anefa fa voarara, raha toa ka tapahina ny tenin’Andriamanitra ka ampahany ao amin’ny Eksaody 20, 4 ihany no raisina satria toy izany no ataon’ireo olona tsy mahalala akory ny finoantsika ka sahy milaza sy manenjika. Tsy tohizany ny ampahany hafa izay tena manazava ny tokony ho izy. Ohatra zao ny tohin’io ao amin’ny Eksaody 20, 5 sy ny eo alohany Eksaody 20, 2.3 izay efa hitantsika teo. Noho izany dia tokony apetraka amin’izay tena izy ny tenin’Andriamanitra fa tsy hanina ambolony.

Manaraka izany dia lazaina fa mivavaka amin’ny olomasina isika. Efa noresahintsika ihany io fa aleo angamba averina eto indray satria efa nanokana fotoana tamin’io isika tamin’ny fandalinana ny Ap 5, 8 (vakiana):

Niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny zavamanana aina efatra sy ny antidahy 24: efa hitantsika teto ny mety ho hevitry ny hoe miankohoka azo tarafina ao anaty Baiboly (cf. fanazavana ny Ap 4, 10: Iretsy fihetsika voalohany (miankohoka sy mitsaoka) dia mazàna miaraka ary milaza fihetsika atao amin’Andriamanitra rehefa mivavaka (cf. Mt 2,11; Mt 4, 9.10 raha miankohoka mivavaka = mivavaka sy manompo). Maro no milaza an’io ao anaty Soratra Masina mba entina hilazana fa mari-panajana amin’Andriamanitra no ihany koa fihetsika rehefa mivavaka mba hitalahoana (cf. Jen 24, 26. 48; Eksaody 4,31; 12, 27; 34,8; Nb 22, 31; 1R 18, 42 // As 10, 25.26 noheverin’i Kornely fa andriamanitra i Piera ka niankohoka teo an-tongony izy sady nitsaoka azy). Na izany aza dia tsy voatery hoe fihetsika rehefa mivavaka ihany no miankohoka fa mety ho endriky ny fiangaviana sy fanajana olona fotsiny mba iandrandràna ny indrafony (Mt 18, 26.29 vakiana mihitsy: eto izao dia mitalaho indrafò mba hamelana ny trosany no ataon’ilay olona). Ankoatr’izay dia mety ho fanajana sy fisaorana ihany koa (cf. Jenezy 23, 6-7. 12). Marim-pandraisana sy fanajana ihany koa (cf. Jenezy 18, 2; Jenezy 33, 3.6.7). Fa raha ity eto amin’ity voalaza eto ity dia tena marika fitsahoana sy fanajana ary fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no ataon’ireto antidahy 24 ireto) fa ity eto ity sahala amin’io Ap 4,10 io dia maneho fitsahoana sy fanajana ary fanomezam-boninahitra ny Zanak’ondry izay tsy iza fa i Jesoa. Izany hoe mitovy amin’ny fanajana sy fitsahoana ary fanomezam-boninahitra an’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana no atao amin’ny Zanak’ondry eto.

• Inona no hevitr’ireo lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra? 
Lokanga : ny dikateny ato amin’ny Baibolintsika moa dia atao hoe Lokanga izy eto fa ny teny grika kithara izay hilazana azy dia miovaova ny dikan-teny ato amin’ny Baibolintsika indraindray ataony hoe harpa (cf. Sal 33, 2; 71, 22; 98, 5; 147, 7) indraindray lokanga. Iny moa dikateny fa ny azo lazaina dia ity lokanga voalaza eto ity no atao hoe kithara amin’ny teny grika ka ny ampiasana azy dia zava-maneno hiderana an’Andriamanitra (ka na atao hoe kabôsy, harmônia, na valiaha aza io dia mety raha izay no ahazaon’ny olona azy fa ny zava-dehibe dia natao hiderana an’Andriamanitra izy io). Ny dikany amin’ny teny hebrio dia hoe kinnôr ka i David no tena havanana amin’ny fitendrena kinnôr ao amin’ny A.T (cf. 1Sam 16, 23 harpa). Ankoatr’izay dia nidera an’Andriamanitra tamin’ny dihy sy ny kinnôr i David sy ny olony (cf. 2Sam 6,5 harpa; 1Tantara 13,8 harpa). Ka ny fananan’ireto zavamanana aina 4 sy ireo Anti-dahy 24 lokanga teny an-tanany dia marika ny asa ataon’izy ireo dia ny fiderana an’Andriamanitra satria zavamaneno natao hiderana an’Andriamanitra io eo an-tànany io. Izay tsy inona fa tandindon’ny olomasina izay efa any an-danitra.
Lovia volamena feno zava-manitra: ny lovia tiana ho lazaina eto dia lovia natao fampiasa hanaterana fanatitra eo amin’ny ôtely antsoiana hoe phialé amin’ny teny grika. Mazàna dia volafotsy no anaovana azy io ao amin’ny A.T fa eto kosa dia volamena ho mariky ny fahamarinan’Andriamanitra. Io lovia io dia feno zava-manitra. Ary i Md Joany ihany moa no manazava ny hevitr’ilay zava-manitra: ny fivavahan’ny olo-masina izany. Eo amin’ny fivavahana jody dia zavatra tsy maintsy atao ny manisy zava-manitra (ilay ataontsika hoe emboka manitra. Cf. Eksaody 30, 34; Lv 2,1s; Lv 2, 14-15; 6,8 ohatra ihany ireo fa tsy voatanisa eto fa in-91 miverina io ao anaty Baiboly). [Koa tsy tokony ho gaga raha tonga ny Majy dia nanolotra emboka manitra, myra sy volamena. Mety ho gaga angamba isika hoe toa zavatra tsy mitovy lanja ireo nefa tamin’izany dia tena samy sarobidy ireo zavatra telo ireo ary lafo vidy avokoa: ny emboka manitra ilaina amin’ny fanolorana sorona ary lavitra, avy any Inde no hafarana hany ka lafo vidy. Ny myra dia karazana zavamanitra lafo vidy ihany koa (cf. Jn 19, 39 sy Eksaody 30, 23). Ny volamena moa dia efa lafo rahateo hatramin’izao]. Raha ao amin’ny Salamo dia aseho ho toy ny emboka ny fivavahana (cf. Sal 141, 2). Nolazaina ireo mba hanampy antsika hahafantatra ny hevitra voalazan’i Md Joany hoe ny lovia volamena feno zava-manitra dia ny fivavahan’ny olo-masina. i.e ny vavaka izay ataon’ny olo-masina izay manana fifandraisana amin’Andriamanitra i.e ny kristianina dia atolotr’ireto zavamanana aina 4 sy Anti-dahy ireto amin’ny lovia fanolorana fanatitra eo anatrehan’Andriamanitra.

Koa eto ary dia mazava amin’izay ny tian-kolazaina amin’ny vavaka atolotry ny Olomasina rehefa miangavy azy ireo isika hivavaka ho antsika. Ohatra raisina i Masina Maria fa izy moa no fantatsika rehetra. Fa eo koa ny olomasina sasany araka izay mahavantana antsika. Tsy misy hafa amin’ny ataon’ireto zavamanana aina 4 sy irao Anti-dahy ny ataony. araka ny efa nazavaintsika teto ny zava-manana aina 4 dia ireo zava-boary noharin’Andriamanitra. Ny antidahy dia ireo raiben’ny finoana efa any an-danitra. Ny ataon’izy ireo dia ny midera an’Andriamanitra sy mitondra ny vavaka ataontsika eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa (iny ilay atao hoe intercesseur; i Jesoa dia médiateur izany hoe mpanalalana fa tsy intercesseur izany hoe ny olo-masina) amin’ilay lovia volamena fitondrana fanatitra.Tsy mitombina velively ny filazana fa mivavaka amin’ireny olomasina ireny isika fa miangavy azy ireo hitondra ny fitalahoantsika eo anatrehan’Andriamanitra sahala amin’ity voalazan’i Ap 5, 8 ity. Ny zavatra ataon’izy ireo araka ny voalaza teo ary averiko indray dia mitondra ny vavaka ataontsika eo anatrehan’Andriamanitra satria izy ireo dia miondrika sy midera an’Andriamanitra andro aman’alina ary tena akaiky azy. Koa aoka tsy hiroaroa saina intsony amin’izay finoanao fa tano mafy izay efa anananao (Ap 3, 11). Araraotina izao mba hamaliana mikasika ny fanajantsika ny olomasina. Misy teny grika roa ireto: latreia sy douleia (doulia). Ny latreia dia fanajana atao amin’Andriamanitra io no atao hoe fitsaoana na “adoration” ka Andriamanitra irery no anaovana azy. Fa eo ny fanajana izay atao hoe douleia izay atao amin’ny olona mendrika ho hajaina “vénération”. Efa hitantsika moa iny tamin’ny fanazavana ny Ap 4,10.
Koa izay ary aloha fa amin’ny manaraka dia mbola ho valiantsika eto ihany ireo zavatra sasany.

P. Jean Pascal ANDRIATSOAVINA

Hevitra

fyt27yavana - 01/01/2016 08:50
Miarahaba tompoko? Azo zaraina amin'ny fb ny zavatra ita ato dia ahoana ny fomba izarana azy ? Azafady indrindra tompoko
Valio fyt27yavana
admin - 11/03/2016 14:12
Rehefa mamaky ilay texte ianao dia copier-o fotsiny ilay lien.
Valio admin

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0769 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org