Asabotsy 24 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Makabeo
Tamin'izany andro izany, i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin'i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena, manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra, fiadiana navelan'i Aleksandra, zanak'i Filipo, mpanjakan'i Masedoàna, ilay nanjaka voalohany tamin'ny Greka, dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna, kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr'ireo tompon-tanàna ny fikasany. Nitsangan-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin'alahelo lehibe, hiverina ho any Babilôna.
Midera ny Tompo amin'ny foko tontolo aho, mitanisa ny asanao mahagaga rehetra, mifaly sy miravo ao aminao, miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Rafitra mianòtra ny fahavaloko, mivena sy ringana anoloanao. Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy; ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna; ny tongony, voasingotry ny harato nafenina! Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava; ny fanantenan'ny ory tsy ho diso mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 20, 27-40Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny sasany tamin'ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin'iza ravehivavy raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.