Zoma 23 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Makabeo
Tamin'izany andro izany, hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny: “Efa resy itý ny fahavalontsika, ka ndeha amin'izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.” Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna. Dia nifoha maraina koa izy, tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, ka nanatitra sorona, araka ny lalàna teo ambonin'ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.
Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr'i Israely Razanay: hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay! Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery, sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra: na ny any an-danitra na ny eto an-tany! Anao, ry Tompo, ny fanjakana, sy ny fisandratana ho lohan'ny zava-drehetra!
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao! Ianao no mifehy ny zava-drehetra! An-tananao ny hery sy ny tanjaka! Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 19, 45-48Tamin'izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: “Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra.” Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.