Alakamisy 08 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, tsy misy velona ho azy isika rehetra, na misy maty ho azy, fa velona isika, velona ho an'ny Tompo; maty koa, maty ho an'ny Tompo. Koa amin'izany, na velona na maty isika, dia ho an'ny Tompo ihany. Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha-Tompon'ny maty sy ny velona Azy. Ka ahoana àry itý ianao no mitsara ny rahaIahinao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny rahalahinao? Nefa samy hiseho eo amin'ny fitsaran'Andriamanitra ihany isika rehetra, araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra. Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako: mba hankafy ny hatsaran'ny Tompo sy hibanjina ny toerany Masina!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny Tanin'ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 15, 1-10Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.” Dia nanao itý fanoharana itý tamin'izy ireo i Jesoa hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: 'Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.' Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.” Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.