Alarobia 07 novambra 2035

Alarobia Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 13, 8-10

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Ny fitiavana no fahatanterahan'ny didy an-tsakany sy an-davany. »

Ry kristianina havana, aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 111, 1-2. 4-5. 9
Fiv.: Ny tsara fanahy mangoraka sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan'ny olo-marina tahìna.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo mangoraka sy antra. Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin'ny alalan'ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 25-33
« Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. »

Tamin'izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin'ireo hoe: “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin'ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain'izay rehetra mahita hoe: 'Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.' Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin'ny miaramila iray alina ny hikatroka amin'ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.