Alakamisy 06 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
Ry kristianina havana, hatramin'ny andro nandrenesanay ny fitiavanareo, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon'Andriamanitra, amin'ny fahendrena amam-pahazavàn-tsaina rehetra ara-panahy ianareo, ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin'ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin'ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an'Andriamanitra, mba hampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana; ary misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olomasina any amin'ny mazava, tamin'Izy nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina, ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
Hitan'ny firenena rehetra ny famonjeny amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany, izato vonjin'Andriamanitra. O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana!
Ndao, antsao am-baliha ny Tompo; anaovy antsa sy fihobiana. Feon'antsiva sy anjomara enti-midera ny fiandrianany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 5, 1-11Tamin'izany andro izany, raha teo amoron'ny farihin'i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin'ny sambo kely anankiray izay an'i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin'ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.