Alarobia 05 septambra 2035

Alarobia Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!

Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Kôl. 1, 1-8

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy

« Tonga atý aminareo toy ny ahatongavany eo amin'izao tontolo izao ny teny fahamarinana. »

I Paoly Apôstôlin'i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy i Timôte rahalahy, dia mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin'i Kristy Jesoa, any Kôlôsy: homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin'ny fivavahana ataonay ho anareo, hatramin'ny nandrenesanay ny finoanareo an'i Kristy Jesoa, sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin'ny teny marin'ny Evanjely. Ny Evanjely efa tonga atý aminareo, dia tonga amin'izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa, hatramin'ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra ao anatin'ny marina, araka ny fampianarana noraisinareo tamin'i Epafrasy, izay namanay malalanay amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, sy mpandraharahan'i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo. Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 51, 10. 11
Fiv.: Matoky ny hatsaram-pon'Andriamanitra mandrakizay aho.

Fototr'ôliva maitso mavana aho ao an-tranon'Andriamanitra, matoky ny hatsaram-pon'Andriamanitra mandrakizay antaranoana.
Izaho hidera Anao noho ny asanao, ry Ilay mandrakizay! hitory ny Anaranao izay tsara, anoloan'ny mpivavaka aminao.

Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 4, 38-44
« Tsy maintsy mitory ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy. »

Tamin'izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin'ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon'i Simôna. Sendra azon'ny tazo mahery ny rafozambavin'i Simôna tamin'izay, ka niangavian'ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin'ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin'izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Kômonio Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.