Asabotsy 14 jolay 2035

Asabotsy Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24

Boky Jenezy

« Hamangy anareo Andriamanitra sy hampiakatra anareo avy amin'itý tany itý. »

Tamin'izany andro izany, dia izao no hafatra napetrak'i Jakôba tamin-janany: “Efa hakambana any amin'ny razako aho izao, ka aleveno any amin'ny razako, anatin'ny zohy izay ao amin'ny sahan'i Efrôna, Heteanina; anatin'ny zohy amin'ny saha Makpelà, tandrifin'i Mambre, any amin'ny tany Kanaana; dia izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha, tamin'i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy. Tao no nandevenana an'i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an'i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an'i Leà. Tamin'ny taranak'i Heta no nividianana ny saha mbamin'ny zohy ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7
Fiv.: Ianareo manetry tena tadiavo Andriamanitra dia ho velom-bolo ny fonareo.

Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin'ny firenena ny asa lehibe nataony. Mihirà ho Azy; mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin'ny Anarany masina: hiravoravo anie ny fon'izay mitady ny Tompo. Mitadiava ny Tompo sy ny heriny: aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak'i Abrahama mpanompony, tamingan'i Jakôba olom-boafidiny. Izy no Tompo Andriamanitsika; mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 10, 24-33
« Aza matahotra izay mamono ny vatana. »

Tamin'izany andro izany i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an'ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan'ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko anareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin'izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.