Zoma 13 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'Andriamanitr'i Isaaka rainy. Ary Andriamanitra niteny tamin'i Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: “Ry Jakôba! Ry Jakôba!” Ka hoy ny navalin'i Israely: “Intý aho.” Dia hoy Andriamanitra: “Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any. Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan'i Jôsefa no hanirina ny masonao.”
Miantehera amin'ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin'ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin'ny fonao.
Ny andron'ny madio fantatry ny Tompo; ny lovan'ireny ho mandrakizay. Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro, ary ho voky amin'ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Fa ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin'ny Tompo: fa Izy no mandany amin'ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy. Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 16-23Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra tahaka ny voromailala. Mitandrema, fa hotorîn'ny olona amin'ny fitsarany ianareo; sy hokapohiny ao amin'ny sinagôgany; ary hoentiny eo anatrehan'ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin'ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin'ny ray aman-dreniny ka hamono azy; ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako: fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan'i Israely ianareo mandra-pahatongan'ny Zanak'Olona.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.