Alatsinainy 02 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an'i Abrahama tao Mambre, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin'ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy mba lalandava ny ifandaharany, na mandrakizay no irehetan'ny Fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika: na araka ny helotsika no avaliny antsika! Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra Azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 18-22Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Jesoa ny hamaroan'ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak'Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.” Ary ny anankiray tamin'ny mpianany koa nilaza taminy hoe: “Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”; fa hoy i Jesoa taminy: “Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.