Alahady 01 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana; koa mihanta aminao izahay, aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso, fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Indray andro i Elisea nandalo tany Sonàma. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo. Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy: “Indro fantatro fa olo-masin'Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina ho azy, dia asiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy”.
Dia tonga tao Sonàma i Elisea indray andro, ka nipetraka tao amin'ilay efitrano avo sy nandry tao. Ary hoy i Elisea: “Ka inona àry no hatao ho azy?” Dia hoy ny navalin'i Giezi: “Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra”. Ary hoy i Elisea: “Antsoy àry izy”. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; ka hoy i Elisea taminy: “Raha afaka herintaona amin'izao fotoana izao, dia hisafosafo zazalahy ianao”.
Ny fitiavanao, ry Tompo, hohiraiko mandrakizay; ny fahamarinanao hambarako amin'ny taona rehetra.
Vavako no niteny, hoy Ianao: Voaorina mandrakizay ny fitiavako, ary ny fahamarinako voajoro ho toy ny lanitra!
Sambatra izay vahoaka mahay mihoby, ilay mandroso amin'ny hazavan'ny Tavanao, mifaly amin'ny Anaranao tontolo andro, sy mientana amin'ny fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan'ny heriny, ary ny fitiavanao, ry Tompo, no tabihanay. Eny fa ny Tompo no Andrianay, ilay Masin'i Israely no Mpanjakanay!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin'i Kristy Jesoa dia natao Batemy ho amin'ny fahafatesany? Koa niara-nilevina taminy tamin'ny Batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy ho velona, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa. Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa, sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin'ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an'Andriamanitra. Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin'ny fahotana, fa velona kosa ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 37-42Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe: “Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo valisoan'ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”
Ry kristianina havana, sarotra sy manahirana antsika ny tenin'Andriamanitra amin'izao andro diavintsika izao, koa mivavaha mba hoampian'Andriamanitra hahazo tsara ny teniny isika, ary homeny herim-po hahazaka ny hazofijaliantsika am-panarahana an'i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ry Jesoa Tompo ô, Ianao nampianatra anay hizotra amin'ny lalan'ny Hazofijaliana, koa tolory tana-mamonjy izahay eto am-pamakivakiana ny fiainana, fa osa sy malemy, ary ombao ny herinao sy ny fitiavanao hanarahanay Anao hatramin'ny farany.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.