Alatsinainy 16 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, voasoratra fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin'ny mpanompovavy, ary ny iray tamin'ny olona afaka. Ilay zanaky ny mpanompovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak'olona afaka, araka ny fampanantenana. Ohatra amin'ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin'ny tendrombohitr'i Sinaï, miteraka ho amin'ny fanandevozana, dia i Agara izany. Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba mpanompo; fa voasoratra hoe: “Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an'izay manambady!” Koa amin'izany, ry kristianina havana, tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak'olona afaka. Efa navotan'i Kristy ho amin'ny fahafahana isika, koa mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony.
Derao ry mpanompon'ny Tompo, derao ny Anaran'ny Tompo. Tsarovy ny Anaran'ny Tompo, na izao na ho mandrakizay. Tongava marain-tsy hariva hidera ny Anaran'ny Tompo. Ambonin'ireo firenena, ny lazany avo dia avo. Moa misy mitovy amin'ny Tompo? Ny Tompo mitoetra any ambony. Miondrika Izy mijery na lanitra izany na tany. Alàny amin'ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 11, 29-42Tamin'izany andro izany, nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan'i Jesoa hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an'i Jônasa tamin'ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak'Olona koa amin'itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin'ny olona amin'itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren'i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin'itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny toritenin'i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.