Alahady 15 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
MAHAIZA MANKASITRAKA AN'ANDRIAMANITRA
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao, sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'ny Mpanjaka
Tamin'izany andro izany, i Naamàna sirianina nidina ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin'i Elisea olon'Andriamanitra, ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony ka nadio izy. Dia niverina nankao amin'ilay olon'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga, dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: “Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra afa-tsy eto amin'i Israely ihany! Koa ankehitriny, dia aoka handray ny fanatitra avy amin'ny mpanomponao ianao”. Fa hoy i Elisea: “Velona ny Tompo izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho”. Mbola nanery azy handray ihany i Naamàna, nefa tsy nety izy. Ka hoy i Naamàna: “Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan'ny mole roa, satria tsy tian'ny mpanomponao intsony, ny manatitra sorona dorana na sorona amin'andriamani-kafa, afa-tsy amin'ny Tompo Andriamanitr'i Israely”.
Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga: ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena.
Nahariharin'ny Tompo ny famonjeny, hitan'ireo firenena ny fahamarinany. Tsarovy, ry terak'i Israely, ny fitiavany sy ny fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen'ny Andriamanitray. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo; mientàna, miantsà sy mihobia.
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry zanako malala, tsarovy fa i Jesoa Kristy Tompo, ilay avy amin'ny taranak'i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torîko, izay iaretako fijaliana hatramin'ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin'Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin'ny olom-pinidy, mba hahazoan'izy ireo koa, ny famonjena izay ao amin'i Kristy Jesoa mbamin'ny voninahitra mandrakizay. Teny mahatoky tokoa izao: “Raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika; raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany Izy”.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 11-19Tamin'izany andro izany, raha nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy i Galilea. Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehàna, misehoa amin'ny mpisorona”. Ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin'ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra!” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.
Ry kristianina havana, mampiray ny olombelona ny fitiavana, ary mampitombo ny fihavanana ny fahaiza-mankasitraka; koa miaraha mivavaka mba samy hameno ny fon'ny olombelona mandrakariva ny fitiavana sy ny fahaiza-mankasitraka na amintsika samy olombelona, na indrindra amin'Andriamanitra.
Ray ô, mahery midodododo aminao izahay rehefa sahirana na misy manjò; fa mahalana vao mba misaotra; koa raiso izao fisaorana izao, ary ampianaro izahay hankasitraka ny fanomezanao rehetra: tsy ny soa mandalo ihany, fa indrindra ny aina omenao sy ny fitiavana asehonao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.