Alarobia 13 septambra 2034

Alarobia Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 7, 25-31

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao: Aza mitady vady. »

Ry kristianina havana, ny amin'ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin'ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin'ny Tompo mba ho azo itokiana. Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin'ny olona ny mitoetra toy izao ihany. Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao? Aza mitady vady. Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza, tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin'ny nofo izy ireny, ka irìko tsy ho voan'izany ianareo. Izao no hevitro, ry kristianina havana: fohy ny andro, ka amin'izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 44, 11-12. 14-15. 16-17
Fiv.: Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina.

Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina: hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao. Telin'ny Mpanjaka ny bikanao; izy no tomponao.
Ilay zanakavavina Mpanjaka mamindra, heni-boninahitra fatratra, amim-pitafiana mifaham-bolamena, avy ao an'efitranony voaravaka.
Entina eo amin'ny Mpanjaka izy, otronin'ireo zazavavy namany, izay mandroso an-kafaliana sy haravoana, miditra ao an-dapan'ny Mpanjaka.
Ny zanakao no handimby ny Razanao, ka hataonao mpifehy amin'ny tany tontolo.

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 6, 20-26
« Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an'ireo mpianany, ka nanao hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain'ny olona, horoahiny amin'ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'Olona. Mifalia ianareo amin'izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.