Talata 12 septambra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, hay aminareo dia misy manana ady amin'ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin'ny olona tsy marina, fa tsy amin'ny olona masina! Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. Koa raha ady momba ny zavatr'izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin'ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin'izany? Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin'ny rahalahiny? Fa rahalahy ka hanana ady amin-drahalahy, sady eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino indray! Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin'ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza? Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny fa rahalahinareo ihany! Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin'olona, na mpanao asam-pijangajangana amin'ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika ianareo.
Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan'ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy; ny zanak'i Siôna hiravo amin'ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin'amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny Voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an'Andriamanitra, no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 12-19Tamin'izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ka nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin'ny folo lahy tamin'izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak'i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Jodà rahalahin'i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika. Dia niara-nidina tamin'izy ireo Izy ka nankeo amin'ny tany lemaka izay nijanonan'ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin'i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka, izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin'ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalian'ny fanahy maloto, ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.