Alarobia 09 aogositra 2034

Alarobia Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 31, 1-7

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao. »

“Amin'izany andro izany — teny marin'ny Tompo, — Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin'i Israely, ary izy ireo ho oloko.” Izao no lazain'ny Tompo: “Nahita fitia tany an'efitra ny vahoaka afaka tamin'ny sabatra; te-hanome fitsaharana an'i Israely Aho.” Niseho tamiko tany lavitra tany ny Tompo.” Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao. Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin'i Israely; hiramarama amin'ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin'ny dihy fifaliana. Hamboly ny tanimboaloboko indray ianao any an-tendrombohitr'i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty. Fa efa avy ny andro, hiantsoan'ny mpiambina any amin'ny tendrombohitr'i Efraima hoe: “Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin'ny Tompo Andriamanitsika!” Fa izao no lazain'ny Tompo: “Mihobia an-kafaliana ny amin'i Jakôba, manaova firavoravoana noho ny amin'ilay lohan'ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana ka lazao hoe: “Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13
Fiv.: Ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny Tenin'ny Tompo, ry firenena, ka ambarao an'ireo Nosy any lavitra Ilay nampiely an'i Israely dia hanangona, ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!
Eny, ny Tompo hanafaka an'i Jakôba, sy hanavotra ny amin'ny tanan'ny mahery noho izy: ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin'ny havoan'i Siôna, hankafy ny zava-tsoan'ny Tompo toy ny vary sy divay, diloilo, zanak'omby aman'ondry!
Amin'izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy; ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana! Ny fisaonany hampodìko ho haravoana; hafaliana no hatambiko ny fahoriany!

Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 15, 21-28
« Ravehivavy, lehibe ny finoanao. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nankany amin'ny faritanin'i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida, fa ampijalian'ny demony mafy loatra ny zanako vavy”; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: “Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.” Ary hoy ny navaliny azy: “Tsy nirahina afa-tsy ho an'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely Aho.” Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Nefa novaliany hoe: “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboa.” Ary hoy ravehivavy: “Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.” Dia sitrana tamin'izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.