Talata 08 aogositra 2034

Talata Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 50, 1-2. 12-15. 18-22

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Hasiako toy ny famely fahavalo ianao noho ny habetsahan'ny helokao. Indro hatsangako indray ny lain'i Jakôba. »

Izao no teny avy amin'ny Tompo, natao tamin'i Jeremia: “Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'i Israely: Soraty amin'ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao. Fa izao no lazain'ny Tompo: tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao; tsy misy olona hisolo vava anao amin'ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao. Ny lehilahinao rehetra nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao, tamin'ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan'ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao. Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatrànao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan'ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan'ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23
Fiv.: Ny Tompo manko hanorina an'i Siôna ka hiseho anatin'ny voninahiny.

Hatahotra ny Anaran'ny Tompo ireo firenena; ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo mankao hanorina an'i Siôna, ka hiseho anatin'ny voninahiny, hanatrika ny vavak'izay norobaina, tsy hanosika ny talahon'izy ireo.
Soraty izany ho an'ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary! Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo, ary any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany! hahahenoany ny senton'ny mpifatotra, hanafahany an'ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay, ary ny taranany hijoro eo anoloanao! Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran'ny Tompo, sy ao Jerosalema ny fiderana Azy, raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo ireo vahoaka sy ireo Fanjakana!

Aleloia. Aleloia.
Ampahafantaro ny lalan'ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 14, 22-36
« Asaivo hankany aminao eny ambony rano aho. »

Tamin'izany andro izany, nony avy nampitombo ny mofo i Jesoa, ka nihinana sy voky ny vahoaka, dia nodidian'i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambarapandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin'izay ny sambo kely dia nahilangilan'ny onjan-drano teny afovoan'ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny rano i Jesoa ka nankeo amin'izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: “Matoatoa io” sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin'izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza niatahotra.” Namaly i Piera nanao hoe: “Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.” “Avia”, hoy Izy. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin'i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Niaraka tamin'izay naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?” Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin'izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: “Tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.