Asabotsy 26 novambra 2033

Asabotsy Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Dan. 7, 15-27

Bokin'i Daniely Mpaminany

« Homena ny vahoakan'ny Olo-masin'ny Avo indridra ny fanjakana sy ny fahefana. »

Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko, ary nahatsiravina ahy ny fahitan'ny lohako. Nanatona ilay anankiray tamin'ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr'izany: “Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin'ny tany; nefa ireo Olo-masin'ny Avo indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.” Tiako ho fantatra marina tamin'izay, ny amin'ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahina ny hohony, nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin'ny tongony ny sisa tsy laniny; sy ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin'ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany. Nijery aho ka indro niady tamin'ireo Olo-masina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka, mandra-pahatongan'ilay Anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an'ireo Olo-masin'ny Avo indrindra, sy nahatongavan'ny fotoana hahazoan'ireo Olo-masina ny fanjakana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87
Fiv.: Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry zanak'olombelona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay. Aoka i Israely hidera ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron'ny Tompo; derao Izy ary ankalazao mandrakizay. Isaory ny Tompo, ry mpanompon'ny Tompo; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin'ny marina; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay. Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan'ny Zanak'Olona ianareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 34-36
« Miambena mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tandremo fandrao vesaran'ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo; ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin'ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin'ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan'ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.