Zoma 25 novambra 2033

Zoma Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Dan. 7, 2-14

Bokin'i Daniely Mpaminany

« Indro nisy toy ny Zanak'alona teny ambony rahon'ny lanitra. »

Tamin'izany andro izany, dia niteny i Daniely ka nanao hoe: “Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, ka indro nibosesika tamin'ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin'ny vazantany efatra: ary niakatra avy ao amin'ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa. Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin'ny tany sy nampijoroana azy tamin'ny tongony hoatra ny olona ary nomena fon'olombelona izy. Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany, nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan'ny nifiny, ary izao no nolazaina taminy: “Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!” Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa, hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny; ary nanan-doha efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana. Rahefa izany, nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin'ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo. Nodinihiko ireo tandroka, ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin'izy ireo, ary nombotan'io ny telo tamin'ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason'olona sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81
Fiv.: Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana! Isaory ny Tompo, ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo, ry loharano! Isaory ny Tompo, ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo ry trozona sy izay mihetsika anaty rano! Isaory ny Tompo, ry voron'ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo, ry biby fiompy sy bibidian'ny tany! Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 29-33
« Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ireo mpianany nanao hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany itý taranaka itý ambara-pahatongan'izany rehetra izany. Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.