Alatsinainy 31 oktobra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan'Andriamanitra. Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an'Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken'ireo sasany amin'i Israely, dia nahazo famindram-po ankehitriny. Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an'Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa. Fa samy nohidian'Andriamanitra tamin'ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa, dia harovan'ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran'Andriamanitra, ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an'Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.
Fa Andriamanitra hamonjy an'i Siôna sy hanangana ny tanànan'i Jodà: ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-ko tompony tokoa! Ny taranaky ny mpanompony no handova; izay tia ny Anarany no honina ao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 12-14Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ilay loholon'ny Farisianina nanasa Azy hoe: “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina vao hovaliana ianao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.