Alahady 30 oktobra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
NY DIDY HO ANTSIKA DIA HOE: TIAVA
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deterônômy
Tamin'izany andro izany, niteny tamin'ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Matahora an'Andriamanitra Tomponao ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ary tandremo ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba hohalavaina ny andronao. Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely; araka ny nolazain'ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao. Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika, dia Izy ihany no Tompo. Tiava ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao».
Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko, Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy, Andriamanitra Mpanafaka, haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery, fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an'ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin'ny rafiko aho! Veloma ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra ilay Andriamanitra mampandresy. Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany, anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, maro no natao mpisorona tamin'ny Testamenta taloha satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra; fa i Kristy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana. Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voàvaka amin'ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan'andro toy ny mpisorombe hafa ho an'ny fahotan'ny tenany aloha, dia ho an'ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin'ny nanolorany ny Tenany, dia ampy. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan'ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin'ny fianiànana taorian'ny Lalàna kosa dia nanendry ny Zanaka, Izay tonga amin'ny fara fanaperana mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 28b-34Tamin'izany andro izany, nisy mpanora-dalàna nanatona an'i Jesoa ka nanontany Azy izay voalohany amin'ny didy rehetra. Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana; koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, sy amin'ny fanahinao manontolo, sy amin'ny sainao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo. Izany no didy voalohany. Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo”. Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin'ny fo manontolo, sy amin'ny fanahy manontolo, ary amin'ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra, sy ny fanatitra hafa rehetra”. Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: “Tsy lavitra ny Fanjakan'Andriamanitra ianao”. Ary hatramin'izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
Ry kristianina havana, ampahatsiahivin'i Jesoa antsika anio ny votoatin'ny Lalàna hoe: tia an'Andriamanitra hoatra ny Ray ary tia ny olombelona toy ny iray tam-po: didy io, fa didy ahazoana fahasambarana; koa mangataha amin'Andriamanitra mba hitantanany ny olombelona hankamin'izany lalana fahamarinana sy fiainana izany.
Tompo ô, atoronao anay matetika ny didinao hoe: Tiava, fa izahay no osa ary be fitiavan-tena; koa ampio ny fahasoavanao hahatontosànay ny didinao.
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny lalan'ny fiainana no natoronao ahy; ka henika ny hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.