Asabotsy 22 oktobra 2033

Asabotsy Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 8, 1-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Ny Fanahin'izay nanangan-ko velona an'i Jesoa no mitoetra ao aminareo. »

Ry kristianina havana, tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'i Kristy Jesoa, sady tsy mandeha ara-nofo; fa ny lalàn'ny Fanahin'aina no nanafaka ahy tamin'ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa. Satria izay tsy vitan'ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon'ny nofo, dia vitan'Andriamanitra tamin'ny nanirahany ny Zanany tao amin'ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin'ny nofony, mba ho tanteraka ny fahamarinan'ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy. Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo, ary Izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan'ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. Satria ny fitiavan'ny nofo dia mifandrafy amin'Andriamanitra, fa tsy manaiky ny Lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa, dia izao rehetra izao, ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano, ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo.

Aleloia. Aleloia.
Fa ny tenin'Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 1-9
« Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra. »

Tamin'izany andro izany, nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjò an'ireo Galileanina fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: “Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.