Zoma 21 oktobra 2033

Zoma Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 7, 18-25a

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Iza re no hanafaka ahy amin'itý vatam-pahafatesana itý? »

Ry kristianina havana, fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; ka rahefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94
Fiv.: Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana: fa izaho matoky ny baikonao! Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny fitsipikao!
Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao: araka ny teninao tamin'ny mpanomponao. Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy: satria ny Lalànao no firavoako!
Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao, izay amelombelomanao ahy! Vonjeo aho fa Anao, sady mikatsaka ny lahatrao!

Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 54-59
« Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr'izao andro diavintsika izao! »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: 'Ho avy ny orana', ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: 'Hafana ny andro', ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran'ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin'izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin'ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin'ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.