Zoma 16 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona. Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin'i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an'Andriamanitra, dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ady hevitra aman'ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany, fanaon'ny olona efa ratsy saina sy nialan'ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban'ny fianìnana; satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin'izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin'izany. Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin'ny fandringanana amam-pahaverezana. Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro. Koa aoka àry ianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro.
Nahoana aho moa no hatahotra loza hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony? Ireo fahavaloko mirehareha, fa manana ka manontany ny ory.
Fa angaha misy olona maha-avo-tena, na hoe afa-mahaloa tamby amin'ny Tompo? Satria lafo loatra tokoa ny avotr'aina, tsy voavidim-bola na oviana na oviana.
Raha misy misondrotra manan-daza. Angaha ny hareny manaraka azy? Raha maty izy hankaiza ny fahamboniany?
Endrey izany lazany teo aloha nohasohasoiny any an-tampon-doha. Izao tafaray amin'ny Razany izy, tsy hahita mazava mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 8, 1-3Tamin'izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin'ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin'i Kozà mpitandrina ny fananan'i Herôda, ary i Sozàna mbamin'ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin'ny fananany.
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.