Alakamisy 15 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino ianao, amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana. Mandra-piaviko, milozoha amin'ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana maro mbamin'ny fametrahan-tanan'ireo Pretra tafangona. Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin'izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin'ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao ary mahareta tsara amin'izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
He marina sady mahitsy ny Tompo. Ka ny lalany azo itokisana. Marim-pototra tsy mba mikoro ka maharitra mandrakizay.
Nandray famonjena ny olom-boafidy. Fanekem-baovao no iorenany, ka mijoro ho mandrakizay. Eny masina ny Anarany.
Ny tahotra santatry ny fahendrena, izay manoa ny Tompo ho velona. Ka ho feno ny fahalalana. Tsisy fetra ny lazan'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 7, 36-50Tamin'izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an'i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon'ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon'ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony sady nitomany ka kotsan'ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin'ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.