Alahady 17 jolay 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
ANDIAN'ONDRY EO AN-TANAN'ANDRIAMANITRA ISIKA
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay, haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin'ny kijanako, — teny marin'ny Tompo. Koa izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'i Israely, ny amin'ireo mpiandry miandry ny vahoakako: Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo; tsy niahy azy ireo ianareo. Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian'ny nataonareo, — teny marin'ny Tompo. Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin'ny ondriko, avy eny amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haveriko ho eo amin'ny kijanany izy; ka hitombo sy hihamaro. Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy; sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza, — teny marin'ny Tompo. — Indro avy ny andro, — teny marin'ny Tompo, hananganako solofo marina ho an'i Davida; hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin'ny tany. Amin'ny androny, i Jodà hovonjena, i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: “Tompo-fahamarinantsika”.
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin'inoninona aho, fa ampiraotiny amin'ny vilo-maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin'ny lala-marina. Na mamaky lohasaha maizina aza aho tsy misy loza atahorako: satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan'ny rafiko, ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona. Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin'ny fiainana tontolo; ny tranon'ny Tompo no ho fonenako amin'ny taona mifandimby.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, ankehitriny, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan'ny Ran'i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray. Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana, Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin'ireo izay akaiky koa, satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin'ny Fanahy iray ihany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 30-34Tamin'izany andro izany, nony niverina teo amin'i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Ry kristianina havana, mangataha amin'Andriamanitra mba hamory ny vahoaka ankehitriny Izy, hihaino ny Teniny, sahala amin'ny tamin'ny andron'i Jesoa sy ny Apôstôly, ary mba ho liana handre an'Andriamanitra lalandava ny olona rehetra.
Ry Tompo Mpiandry ondry tsara fo ô, ampianaro izahay hahay hanampy izay rehetra maniry fihavanana na mitady ny marina na miandry hotiavina; ary atoroy hahay hamoha an'izay mandondòna eo am-baravaranay.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalàna fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.