Asabotsy 16 jolay 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, niala tao Ramsesa ny zanak'i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy. Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin'ny andian'ondry aman'omby maro be. Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta; fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Isaory ny Tompo fa tsara! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nahatsiaro antsika nijaly, eny, mandrakizay ny hatsaram-pony, sy nisarika antsika tamin'ny mpampahory! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an'i Ejipta: dia ny Lahimatoany! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Sy namoaka an'i Israely teo aminy; eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! tamin'ny tana-mahery sy sandry mihinjitra! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nampandalo an'i Israely teo anivony; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nanipy an'i Faraôna sy ny tafiny tao! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 12, 14-21Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin'ny andro sabata. Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin'izay hahafaty Azy. Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin'ireny; nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba ho tanteraka ny tenin'i Izaia mpaminany hoe: Indro ny Mpanompoko izay nofidîko, dia ilay malalako izay ankasitrahan'ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin'ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin'ny anarany.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.