Talata 12 jolay 2033

Talata Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 2, 1-15a

Boky Eksaody

« Nataony hoe Môizy ny anarany, fa teo amin'ny rano izy no nalaina; ary nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy avy eo. »

Tamin'izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon'i Levi, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin'i Levi anankiray. Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy itý zaza, ka dia nafeniny telo volana. Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron'ny ony. Ary ny anabavin'ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny mba hahita izay hihatra aminy. Dia nidina handro teo amin'ny ony ny zanakavavin'i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron'ny ony ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata, dia nasainy nalain'ilay ankizivaviny. Nosokafany itý izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: “Zanaky ny Hebrio itony!” Tamin'izay kosa ny anabavin'itý zaza dia niteny tamin'ny zanakavavin'i Faraôna nanao hoe: “Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin'ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?” Ary hoy itý zanakavavin'i Faraôna: “Mandehàna.” Dia lasa razazavavy naka ny renin'ny zaza. Ary hoy ny zanakavavin'i Faraôna taminy: “Ento itý zaza itý ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao.” Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34
Fiv.: Ry malahelo, katsaho Andriamanitra, dia ho velom-bolo ny fonareo!

Revon'ny fotaky ny hantsana aho: tsy mahita hifaharana; tonga amin'ny lalina indrindra: safotry ny onja.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio noho ny haben'ny hatsaram-ponao, sy araka ny fahamarinan'ny vonjinao.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa dia harovan'ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran'Andriamanitra, ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an'Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.

Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 11, 20-24
« Ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy i Sidôna ary amin'ny tanin'i Sôdôma noho ny aminareo amin'ny andro fitsarana. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin'ny andron'ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sôdôma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.