Alatsinainy 11 jolay 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, nisy mpanjaka vaovao, tsy nahalala an'i Jôsefa, nanjaka tany Ejipta. Hoy izy tamin'ny vahoakany: “Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto ny zanak'i Israely. Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin'ny fahavalo hamely antsika izy, dia hivoaka hiala amin'ny tany.” Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an'i Israely izy, mba hamoritra azy amin'ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna natao fitahirizan-javatra ho an'i Faraôna, dia Pitaoma sy Ramsesa. Kanjo, araka ny namoretana azy vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain'ny olona ny zanak'i Israely. Nampiasain'ny Ejipsianina an-tery vozona ny zanak'i Israely, nampangidîny ny fiainan'izy ireo tamin'ny asa mafy dia mafy, dia tamin'ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozàna. Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: “Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.”
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely! Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin'ilay niantsapazan'ireny, dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika; ho nosaforan'ny riaka ny fanahintsika! Eny, ny fanahintsika ho nosaforan'ny rano misamboaravoara! Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin'ny vangin'ireny.
Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato, ka afaka isika! Ny fitahiana antsika dia ny Anaran'ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 34 — 11, 1Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôly nanao hoe: “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy; ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony. Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.” Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen'i Jesoa an'ireo mpianany roa ambin'ny folo lahy ireo, dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin'ny tanàna manodidina rehetra.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.