Alakamisy 16 jona 2033

Alakamisy Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 7. 9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 11, 1-11

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Nitory ny Evanjelin'Andriamanitra maimaim-poana taminareo aho. »

Ry kristianina havana, enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo. Manana fahasaropiaron'Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofombadin'ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio. Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin'i Kristy, toy ny namitahan'ny bibilava an'i Eva tamin'ny hafetsen-dratsiny. Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy. Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo? Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin'ny zavatra rehetra. Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo? Ny an'ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho, mba hoentiko miasa atý aminareo. Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany. Raha ato anatiko koa ny fahamarinan'i Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran'i Akaïa manontolo izany. Nahoana àry? Noho ny tsy fitiavako anareo ve? Andriamanitra no mahalala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8
Fiv.: Rariny sy hitsiny ny asan'ny tananao, ry Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny Asan'ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana ny vitan'ny Tompo; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Rariny sy hitsiny ny Asan'ny Tanany; mahatoky avokoa ny lahany: mafy orina mandrakizay alaovalo, vita amim-pahamarinana sy hitsiny.

Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 6, 7-15
« Koa mivavaha toy izao ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toa izao ianareo:

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Kômonio Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.