Alarobia 15 jona 2033

Alarobia Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 7. 9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 9, 6-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be. Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin'alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 111, 1-2. 3-4. 9.
Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan'ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 6, 1-6. 16-18
« Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tandremo sao hataonareo eo imason'ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin'izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy ao amin'ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon'ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin'ny sinagôga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin'ny efitranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Kômonio Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.