Zoma 10 jona 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, siny tany no itondranay izany raki-pahazavana izany, mba hiharihary fa avy amin'Andriamanitra ny halehiben'ny herin'ny Evanjely fa tsy avy aminay. Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahoriana, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; entinay amin'ny vatanay lalandava ny fahafatesan'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny vatanay koa. Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny nofonay mety maty. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
Natoky aho na nisy nanenjika aza, nilaza aza hoe: «Fara-fahoriana», fa taitra aho manko ka vaky hoe: «Mpandainga avokoa ny olombelona».
Tsy zakan'ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy. Ry Tompo ô, satria aho mpanompo matoky Anao, fa zanaka mpanompovavinao, dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin'ny foko ny Anaranao, efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 27-32Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mijangajanga?' Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.