Alakamisy 09 jona 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, mandraka ankehitriny, isaky ny vakîna ny tenin'i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon'ny zanak'i Israely. Fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona. Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no misy ny fahafahana. Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra; sady ovan'Izy Tompo izay Fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava. Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay. Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin'izay manary tena no iafenany, izany hoe amin'ireo tsy mino nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao mba tsy hiposahan'ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin'i Kristy, izay endrik'Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay, fa i Jesoa Kristy Tompontsika, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesoa. Satria Andriamanitra izay mandidy hoe: “aoka ny mazava hiposaka ao amin'ny maizina”, no manazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra, izay mitaratra amin'ny tavan'i Kristy Jesoa.
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo. Mirary fiadanana ho an'ireo olo-miandrandra ny tavany. Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy. Honenan'ny lazany etý amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana. Ny rariny ombam-piadanana hatrany. Ny hitsiny hita mitsiry amy tany.
Mitsinjo avy eny amy rahon'ny lanitra kosa ny raviny. Handrotsaka orana anie Izy Tompo. Izay hampamokatra tsara ny tany. Fa lalan-kizoran'ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 20-26Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha tsy lehibe noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin'ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin'ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin'ny Sanedrina; ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin'ny gehen'afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin'ny rahalahinao, dia avelao eo amin'ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr'izay manana ady aminao amin'ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin'ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.