Alakamisy 27 janoary 2033

Alakamisy Fahatelo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 95, 1. 6

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin'ny toerany masina.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 10, 19-25

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin'ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana. »

Ry kristianina havana, noho ny Ran'i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin'ny fitoerana masina, mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny Nofony, sy noho isika manana Mpisorombe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin'ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin'ny fo voafafa ho afaka amin'ny fieritreretana mipentina ota, sy amin'ny vatana voasasa tamin'ny rano madio. Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin'ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana. Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon'ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao hitanareo fa efa antomotra ny Andro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa, dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin'ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny Endrik'ilay Andriamanitra Tompo!

Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 4, 21-25
« Entina hapetraka eo ambony fanaovan-jiro ny jiro ary araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Moa entina hapetraka ao ambanin'ny vata famarana na ambanin'ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin'ny fanaovan-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.” Dia hoy indray Izy: “Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Kômonio Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.