Alarobia 26 janoary 2033

Alarobia Fahatelo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 95, 1. 6

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin'ny toerany masina.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 10, 11-18

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Nandavorary mandrakizay ireo nohamasininy Izy. »

Ny mpisorona rehetra dia mijoro isan'andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny; fa i Jesoa Kristy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan'Andriamanitra; ka hatramin'izao Izy, dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy. Ary asehon'ny Fanahy Masina amintsika koa izany; fa rahefa voalazany hoe: “Fanekena toy izao no hataoko amin'ny fianakavian'i Israely rahefa afaka izany andro izany”, dia hoy indray ny Tompo: “Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony ka havelako ny hadisoany, ary tsy ho tsaroako ny fahotany”; ka rahefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 109, 1. 2. 3. 4.
Fiv.: Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka.

Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko: Mipetraha ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!
Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo. Avy ao Siôna, manjakà hatr'anivom-pahavalo
Fa Anao ny fiandrianana hatramin'ny andro nahaterahanao. Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina; toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando.
Hoy ny fianianan'ny Tompo ka tsy hanenenany: Ianao Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka.

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 4, 1-20
« Niainga hamafy ny mpamafy. »

Tamin'izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin'ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany hoe: “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian'ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy: “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo momba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin'ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy: “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin'ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin'ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin'ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin'ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Kômonio Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.