Asabotsy 25 septambra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'ny Mpitoriteny
Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora; aoka hahazo firavoravoana amin'ny fonao ianao amin'ny andron'ny fahatanoranao! Mandehana any amin'izay lalan'ny fonao, sy araka izay fijerin'ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan'Andriamanitra anao hotsaraina. Esory ao am-ponao ny alahelo, ary halaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana am-pahamaitsovolo.
Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao. Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra. Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina, toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry, manipelana maraina, vaky vony sy mijoro, fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava: mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro. Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo, hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 44b-45Tamin'izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan'ny olona ny Zanak'Olona.” Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin'izany izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.