Zoma 24 septambra 2032

Zoma Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana

Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mpitoriteny 3, 1-11

Bokin'ny Mpitoriteny

« Misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atý ambany masoandro. »

Samy misy fotoana voatendry ho azy avokoa ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atý ambany masoandro: fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana ary fotoana hananganana; fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana ary fotoana handihizana. Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana. Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana; fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana. Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana. Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 143, 1a sy 2abd. 3-4
Fiv.: Isaorana ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko, Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy! Ilay ampinga sy aroko.
Tompo ô, inona ny olombeloria no dia ahìnao? ny zanak'olombelona voaarakao maso? Ny olombelona dia toa tsio-drivotra; ny androny, aloka mihelina!

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 9, 18-22
« Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'Olona. »

Tamin'izany andro izany, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: “Ataon'ny vahoaka ho iza moa Aho?” Ary namaly ireo ka nanao hoe: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona.” “Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao hoe: “I Kristin'Andriamanitra.” Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin'olona, sady nampiany hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'Olona, ka harian'ny loholona sy lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin'ny andro fahatelo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.

Kômonio Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.