Asabotsy 28 aogositra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana, fa izay ataon'izao tontolo izao ho adala no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin'izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin'Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. Fa avy aminy no maha-ao amin'i Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak'olombelona.
Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy, sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo. Mpitahy anay Izy sy Ampinganay! Izy no ifalian'ny fonay; ny Anarany masina no ifefenay!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 25, 14-30Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin'ny mpianany nanao hoe: “Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.